LYCEE PRIVE H.R.DANIEL Ankadikely


Antananarivo AVARADRANO



ACCUEIL

PROGRAMMATION RAPIDQ

MATHEMATIQUES

LITTERATURE

ANKADIKELY


MATHEMATIQUES

Pour s'entraîner

AFRICAN MATHEMATICAL UNION (A.M.U)

UNION MATHEMATIQUE AFRICAINE (U.M.A)

PAN AFRICAN MATHEMATICS OLYMPIADS (P.A.M.O)


Hoentina manatanteraka ny faha-16 taonan’ny Pan African Mathematics Olympiads (P.A.M.O), dia misy ny fandraisantsika eto Madagasikara anjara amin’ny fifaninana, izay mahakasika ny Matematika.

Ka hoan’ireo Sekoly maniry ny handray anjara amin’izany, dia misy izao fampahafantarana izao, mahakasika ny tanjona, sy ny fepetra amin’ny fanatanterahana izany fifaninana.

Tanjona:

Fijerena am-potony izay ankizy sy tanora manana talenta amin’ny Matematika;

Fandraisana anjara sy fampafantarana ny fisian’ny mpanatalenta amin’ny Matematika eto Madagasikara, any Afrika sy manerana izao tontolo izao.

Fampahafantarana ny fijerin’ny firenena manontolo izany hoe: Matematika,

Fepetra:

Mpianatra amin’ny kilasy 2nde ka hatramin’ny famaranana (Terminale) sy izay mitovy amin’izany;

Ankizy sy tanora latsaky ny 20 taona ( amin’ny jolay 2006), tia sady mahay Matematika.

Ireo dingana ataon’ireo mpandray anjara:

Hisy ny fifaninana isaky ny sekoly, izay hitsongana izany hisolon-tena ny sekoly tsirairay;

Hisy ny fampivondronana izay mahavita io dingana voalohany io, ka hanaovany ny dingana manaraka,

Ary ny famaranana, izay hifantenana, ireo ankizy sy tanora miisa efatra (04) hisolon-tena an’i Madagasikara any ivelany.

Ny fotoana hanatanterahana ireo dingana ireo:

Ahafahana mandrindra antsakany sy andavany ny fifaninana eto Madagasikara, dia misy ireto daty manaraka ireto arahin’ny sekoly te-handray anjara:


25 Febroary 2006 : Fanamafisan’ilay sekoly amin’ny Mpiandraikitra ny handraisany anjara.

17 Martsa 2006 : Fanomezan’ny Sekoly tsirairay ny anaran’ireo ankizy sy tanora hisolon-tena azy hoamin’ny dingana manaraka.

05 Aprily 2006 : Fampivondronana ireo solon-tenan’ny sekoly ary hifantenana izay hanao ny dingana famaranana.

19 Aprily 2006 : Famaranana.

Eto amparanana, dia maniry ny fiarahatsika rehetra mientana hoentina manadratra an’I Madagasikara sy ny Matematika, izahay mpiandraikitra.



Ny mpiandraikitra

Fanja RAKOTONDRAJAO

Mpampianatra Mpikaroka

Oniversite an’Antananarivo


Tel.:- 033 11 223 46 – 032 04 195 82 – 033 11 217 70

E-mail: frakoton@yahoo.fr