LYCEE PRIVE H.R.DANIEL Ankadikely


Antananarivo AVARADRANO



ACCUEIL

PROGRAMMATION RAPIDQ

MATHEMATIQUES

LITTERATURE

ANKADIKELY


RAPIDQ - FANOMBOHANA


Ity takelaka ity natokana ho an'ireo rehetra izay manam-paniriana hamorona ny rafitserasera miasa amin'ny Windows 9x, XP na Linux. Azo atao ny mahazo ny Rapidq izay ahafahana manao izany.

Rehefa azonao ny rakitra rqbeta.zip dia boraho. Tokony manana ireto ianao.

Ho fanombohana dia sokafy ny rapidq.exe. Mahazo seho sahala amin'izao ianao

Io voalohany io no endriky ny seho fampiasa mety ho azonao. Misy rafitsoratra manome io seho. Azonao izany raha manindry ny bokotra « Code it » ianao.

Toy izao rafitsoratra mifanaraka amin'izany

Tahirizo aloha io rafitsoratra azo io ka ny tsara dia ataovy .bas ny fitaran'ny anaran'ny rakitra. Ohatra hoe : ohatra1.bas .( Madehana sahanasa File , dia Save... )

Andramo ketreho io rafitsoratra io : mankanesa ao amin'ny sahanasa « Run » , tsindrio ny asa « Run » na avy hatrany dia ampiasa ny kitendry F5.

Azonao ny rafitserasera mitondra ny anarana hoe ohatra1.exe, sady hitanao ny seho mifanaraka amin'izany. Mbola tsy manao na inona na inona aloha izy io afa-tsy ny fanalehibeazana, fanakelezana sy fanakisahana ny seho fotsiny.

Miverena ao amin'ilay rafitsoratra. Andramo ovaina ny toetra « caption » , ohatra hoe : « Fanombohana Rafitseraserako ». Dia ketreho indrany ny rafitsoratra.

Hitanao fa miova ny soratra eo amin'ny fehezantondro. Azo ovaina ny halehibeny amin'ny alalann'ny sandan'ny toetra « height » sy « width ».


Manaraka